Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rohim-boky : « Misy zavatra mifanohitra eto », hoy i Riso Lalason

Rohim-boky  : « Misy zavatra mifanohitra eto », hoy i Riso Lalason

Mbola tsy voahaja ny rohim-boky raha ny eto Madagasikara. Ahatazanana tsy fifampitokisana eo amin’ireo mpikirakira sy mpisehatra azy ity. Endrika iray toa maneho tsy firindrana ihany koa. Manamafy izany ny filazan’ny tsirairay ao anatin’ny rohim-boky fa tena sahirana amin’ny fanatanterahana ny asany sady tsy mbola mahita vokatra mivaingana avy amin’izany. Milaza ny heviny Rakotomalalason na i Riso lalason, mpanoratra.

Gazety Taratra (*) : Nahoana no mirona kokoa any amin’ny fanoratana tononkalo ny tanora ankehitriny ?

Riso Lalason (-) : Mety ho karazana sehatra ahafahana manovo traikefa ihany ny tononkalo raha oharina amin’ny fanoratana tantara izay sady lava no mandany fotoana, sns. Faharoa, mora kokoa ny mamoaka ny asa soratra tononkalo raha oharina amin’ny tantara foronina izay matetika miafara any amin’ny famoahana boky. Ny tononkalo azo avoaka amin’ny radio sy sehatra samihafa toy ny fivoriam-pianakaviana, seho an-tsehatra, sns.

* Mety aminareo mpanoratra ve ny rohim-boky ankehitriny ?

– Ny mety na tsy mety, anjaran’ny mpanoratra tsirairay ny mamaly izay. Na izany aza, misy fanazavana azoko hoentina momba azy io. Misy zavatra mifanohitra amin’ny tranga fahita maneran-tany eto. Ny mpanoratra indray no mitady ny « éditeur », ny any ivelany anefa ny « éditeur » no manatona ny mpanoratra. Vokatr’izay fifanoherana izay, eo ho eo amin’ny 10%-n’ny vola azo avy amin’ny boky atonta sisa no anjaran’ny mpanoratra.

Toa manosika ny mpanoratra tsy hanaraka ny rohim-boky io tranga io, ka hampiditra azy hanao ny « auto édition ». Tsy zava-mora anefa izany sady mpanoratra izany no miandraikitra ny famoahana ny boky. Ho an’ny mpanoratra « matanjaka », io « auto édition » io no tsara aminy. Hatreto aloha, mbola nofinofy ho an’ny ankamaroan’ny mpanoratra ny « auto édition ».

Ireo fanazavana rehetra ireo, misy ny fiantraikany amin’ny tontolon’ny boky iray manontolo. Anisan’izany ny boky tokony hivoaka kanefa tsy tafavoaka. Na tsara sy kanto ary mahasoa aza ny sanganasan’ny mpanoratra, rehefa tsy tafavoaka, tahaka ny tsy misy ihany.

* Ho an’ny fanoratana tantara foronina manokana, inona ny olana mianjady aminy sy ny vahaolana mifanaraka amin’izany?

– Mila miofana ny mpanoratra tantara foronina. Na eo aza ilay talenta amin’ny fanoratana raha tsy voafehy ilay fomba fanehoana izany, ho tonga tantara mahaliana, mahasarika, sns, mety tsy ho tsara loatra ny vokatra tonga eny am-pelatanan’ny mpanjifa. Ezahina ihany koa ny hitaiza tsikelikely ny Malagasy amin’ny fitiavana ny tantara foronina. Tia azy io isika taloha, saingy rehefa nihavitsy ny boky hovakina, nihena nanaraka izay ihany koa ny mpamaky.

Mila omena lanja ny asa soratry ny tanora aty aoriana. Anisan’ny miteraka laina ho an’ny mpanoratra ankehitriny ny fahitana fa ny sanganasan’ireo zoky teo aloha ihany no tafiditra any an-tsekoly ka ianaran’ny mpianatra. Mbola mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny sy tazan’ny mason’ny olona tokony hamaky tantara foronina amin’izao vanim-potoana izao ve ny voarakitra ao anatin’ireny ? Sady fanomezana fahavitrihana ho an’ny mpanoratra ankehitriny no manamora ny fampitana ny hafatra fonosin’ny tantara foronina ny famoahana boky tantara foronina mifanaraka amin’ny vanim-potoana diavina.

 

Riso Lalason sy ny asa soratra

Mpanoaratra tononkalo, sombin-tantara ary tantara foronina izy. Efa nanakorisa ny peniny tamin’ny tononkalo raha mbola tany an-tsekoly. Nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana lahatsoratra nampanaovin’ny Mineseb sy ny Vondrona Eoropeana ny taona 1997 tamin’ny alalan’ny lahatsoratra « Harena sarobidy ». Namoaka ny amboara tononkalo « Lokon’ny fitia » tamin’io taona io ihany. Nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana tononkalo fanentanana nampanaovin’ny taranaka Rainizafimanga, ny taona 2007. Tononkalo nosoratany « Mbola misy ». nahazo loka faharoa tamin’ny tantara foronina nampanaovin’ny Synael nandritra ny Frankofonia 2016 tamin’ny alalan’ny tantara « Tapak’ahitra ».

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.