Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : toy ny amin’ny araboka, tratran’ny havany izay manava-tena

Tsy mbola miravina arak’izay tokony ho izy  ny fifandraisan’ny mponina malagasy sy ny vondron’ny mponina karana. Maro amin’ny Karana no efa karazana tompon-tany noho izy ireo teratany eto Gasikara niainga avy any amin’ny razam-beny. Tsy mety ho tanteraka mari-potitra arak’izany anefa ny famatorana ara-pihavanana, vao miha mareforefo raha ampina fanavakavahan-tena. Toy izay anefa ny fandraisan’ny fiarahamonina an’ity fomba fitarainana manokana ataon’ny fikambanana Karana eo amin’ny fisehon’ny fangalana olona an-kerisetra anaovan’ireo olon-dratsy takalo amina fitakim-bola. Efa nisy Malagasy ary farany teo Malagasy no niharan’izany.

Maro izay ny fahatratrarana olona nikasa anao fanondranana volamena an-tsikisiky, Karana ny ankamaron’ireo tra-tehaka, dia ny Karana rehetra ve no avahana noho izany. Tratra izao ny fisina Malagasy manota amin’ny fanefana fanondranana volamena an-tsokosoko, nohon’ny mbola havitsiny dia atao toy ny tsisy ve, ka ny Karana ihany no avela ibaby irery an’io eloka fanabotrina ny firenena io ?

Sarotra ho an’ny vahoaka no tsy anavaka nohon’ny ratsy vita raha ny tena no miavakavaka nohon’ny ratsy zakaina. Mampitresaka ny firaisan-kina izay toetra izay, tsy maintsy manao ezaka ny roa tonta raha maniry ny fampiravonana ny firaisa-monina. Tsy mila mifanambitamby akory fa mifanaja ao anatin’ny tsy fitovizana. Ny tsy fitovizana lehibe anie dia eo amin’ny isa sy eo amin’ny fananana, eo ny fahamaron’ny Malagasy andaniny kosa ny harenan’ny ankamaron’ny Karana. Ahoana ny fomba ifandaminana an’izany tsy isehon’ny fahasorenana na tsy fifankahalana ? Izay ny làlana iaraha-mikaroka, na fantatra aza fa indraidray na matetika mihitsy aza mifanipaka ny tombontsoa kandranin’ny mpanana sy ny ambony tsy ampy eo amin’ny mponina sahirana. Efa nilaozana ny atao hoe “lutte de classe” na mbola eo aza ny fahasamihafana ka hisehon’ny fahatonina eto amin’ny fiarahamonina aoka tsy ankasarotina amina fiavakavahana miteraka fanavakavahana.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.