Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Raharaha Claudine » : tsy afa-bela ny tale sy ben’ny Tanàna iray

 Ho avy amin’izay. Hiverina indray ny “Raharaha Razaimamonjy Claudine”. Nambaran’ny eo anivon’ny Bianco fa misy tompon’andraikitra tafiditra koa izao ary hanaovana fanadihadiana. “Tale iray eo anivon’ny fitsinjaram-pahefana sy ben’ny Tanàna izy ireo. Nitsabo tena teny amin’ny hopitaly io mpiasan’ny minisitera io saingy efa sitrana izy izao, ka hatao ny famotorana azy miaraka amin’ny ben’ny Tanàna iray”, hoy ny Bianco, Razafimandimby Tsiry, omaly. Nohamafisiny fa mbola tafiditra amin’ilay tsenam-panjakana ihany izao. “Halaina havoaka ny fonja ary haverina any Razaimamonjy Claudine hatao famotorana indray momba io. Mbola misy vesatra efatra maha voarohirohy azy”, hoy ihany izy. Notsiahiviny fa olona efatra no nalefan’ny Bianco teny amin’ny fitsarana misahana ny kolikoly (CPAC) sy nampidirana am-ponja vonjimaika (MD) ka anisany io tale eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana io.  Efa nitaky ny tokony hanafaingana ity “Raharaha Razaimamonjy Claudine” ity ny eo anivon’ny SMM tamin’ny fanambaran’izy ireo farany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.