Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Na dia nahazo IST aza… : tafaporitsaka any La Réunion ilay vazaha

 Tokony hiatrika ny raharaha anenjehana azy ny herinandro ho avy izao ny teratany vahiny iray monina ao Toamasina. Tafavoaka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato nihazo ny Nosy La Réunion ihany anefa izy na dia efa namoahana didy tsy fahafahana mivoaka an’i Madagasikara (IST) avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana aza, saingy tafaporitsaka ihany. Mitaraina noho izany ireo olona sasantsasany ao Toamasina nametraka fitoriana momba ny raharaha anenjehana ity teratany vahiny izy satria heverin’izy ireo fa misy firaisana tsikombakomba ambadik’izao raharaha izao. Nohamafisin’ireo niharan’ny herisetra nataon’ity vahiny ity fa misy tompon’andraiki-panjakana ambony miaro azy sy ao an-damosiny indrindra momba ny raharaha anenjehana ao Toamasina sy Foulpointe. “Nampanantena ny fanjakana fa izay manao ny tsy mety dia tokony hampiharina aminy ny lalàna, nefa izao ny vahiny manjakazaka sy mirehareha fa tsy azo kitihina”, hoy ny solontenan’ireo niharan’ny herisetra. Mangataka amin’ny fanjakana mba hanara-maso akaiky ity raharaha ity ireo olona ao Toamasina.

J.C

Les commentaires sont fermées.