
“Efa manomana ny hiatrehana ny lalao iraisam-pirenena toy ny eo anivon’ny CCOI amin’ny volana septambra isika izao. Eo koa ny hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny tanora amin’ireo sokajy samihafa. Eo ny latsaky ny 16 sy 17 taona (U16 – U17)”, hoy ny filohan’ny federasion’ny taranja basket ball (FMBB), Ramaroson Jean Michel, tetsy Mahamasina, omaly. Natsidiny sahady koa ny hanaovana ny lalao miverina ho an’ny N1A.
Ankoatra izany, nambarany fa manana tanjona hanosika klioba handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny isan-tarika koa isika. “Tsy niatrika izany isika tamin’ny taon-dasa ka hiverina indray izany amin’ity indray mandeha ity”, hoy ihany izy.
Eo amin’ny lafiny fanofanana indray kosa, hisy ny fiaraha-miasa amin’ny “solidarité olympique” sy ny Komity olympika (Com).
Midika izany fa tena feno ny fandaharam-potoan’ny FMBB amin’ity taom-pilalaovana ity.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.