Manao tohivakana. Nampiantsoan’ny Fitsarana misahana ny kolikoly (CPAC) etsy 67 ha ny depioten’Antalaha, Laisoa Jean-Pierre na i Jaovato, araka ny loharanom-baovao. Tsy voafaritra mazava hatreto ny anton’ny fampiantsoana. Na izany aza, anisan’ny raharaha efa nampiantsoana azy ny septambra 2016. Anisan’ny niahiahiana ity mpandraharaha mpanefoefo ity tamin’izany ny resaka famotsiam-bola, niainga amin’ny fitsirihana nataon’ny Samifin.
Amin’izao fotoana izao, efa manomboka mihataka amin’ny fitondrana ity mpanohana ny HVM ity noho ny tsy fivotiam-pijery eo aminy sy ny mpitondra. Anisan’izany ny momba ny volany, voalaza fa nogiazana. Araka izany, raharaha hafa indray koa ity.
Randria
Les commentaires sont fermées.