Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vaovao tambatra

Miofana mandritra ny 10 andro eny Vontovorona ireo mpanara-maso sy lehiben’ny tendron’ny Cnaps manerana ny Nosy. Tanjona ny hanatsarana ny fiasa amin’ny fanaraha-maso ny orinasa ary hikarohana vahaolana manoloana ny hosoka sy ny kolikoly na famotsiam-bola amin’ny endriny samihafa. Manohana ity fiofanana ity ny Samifin sy ny fitantanana foiben’ny hetra (DGI).

Tsy nanatrika ny fivoriamben’ny firenena G20 sy i Afrika, tany Berlin i Madagasikara. Anisan’ny nanatrika ny fotoana ny filohan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana. Nodinihina ny hanamafisana ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola aty Afrika. Anisan’ny naneho hevitra teo anoloan’ny G20 ny minisitry ny Tetibola any Côte d’Ivoire, Maraoka, Rwanda, Sénégal, anisan’ireo firenena mihamandroso aty Afrika fa tsy toa an’i Madagasikara.

 

Les commentaires sont fermées.