Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Mitohy ny fikarohan’ny zandary ilay botry iray antsoina hoe Sofindraza nalain’ny jiolahy an-keriny niaraka tamin’ny takalon’aina, ny faran’ny herinandro teo. Nisedra olana teny ambony ranomasina ity botry ity ka niantsona teo amin’ny fari-dranomasin’i Soanenga. Nisy mpandeha iray namoaka famaky sy sabatra ka namono ireo olona tao anaty botry. Nisy mpivady afaka nanavo-tena nitsambikina tany anaty ranomasina. Lasan’ilay jiolahy ny botry niaraka tamin’ireo takalon’aina miaraka amin’ny entana nentin’io botry io.

Mitaintaina avokoa ny ankamaroan’ireo Karana monina ao Mahajanga taorian’ilay fakana an-keriny teratany Karana iray tompona tranombarotra iray ao Mahabibo Mahajanga. Hatreto tsy mbola nisy mangirana momba ireo Karana nisy naka an-keriny na ilay teny Behoririka na ilay tany Mahajanga. Mihafihafy avokoa ireo Karana na mandeha eny an-dalana noho ny tahotra amin’ireo mpaka an-keriny.

Nampitandrina hatrany ny eo anivon’ny mpitandro filaminana fa voararan’ny lalàna ny fanapoahana tsipoapoaka. Hihetsika avokoa ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny rehetra ka hosamborina izay tratra. Ny 25 jona irery ihany eny amin’ny farihin’Anosy no azo anapoahana afomanga. Mba hisorohana ny tsy fandriampahalemana ny anton’izany, araka ny fanazavana voaray.

Les commentaires sont fermées.