Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Nalain’ny jiolahy an-keriny koa ny Karana tompona tranombarotra iray ao Mahabibo Mahajanga, ny zoma hariva tamin’ny 7 ora sy 30 mn. Nitondra basy mahery vaika sy nisaron-tava ireo jiolahy naka an-keriny ilay Karana. Fiara Sprinter iray tsy misy laharana no nentin’izy ireo nanao ny asa ratsiny. Tsy mbola nandrenesam-baovao ilay Karana taorian’izay.

Saron’ny zandary ny telo tamin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny mpivady teny Maibahoaka Ivato, ny asabotsy hariva teo. Vehivavy ny iray amin’ireo voasambotra, ahina ho tafiditra amin’ity raharaha ity sy miray tendro amin’ireo jiolahy. Tratran’ny zandary taorian’ny fanarahan-dia ireto jiolahy ireto.

Les commentaires sont fermées.