Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nosy Be : olona roa nahatrarana menaka rongony tanaty bidao

Nosy Be  : olona roa nahatrarana menaka rongony tanaty bidao

 Saron’ny polisy teo amin’ny seranan-tsambo ao Nosy Be Hell Ville, ny herinandro teo ireo olona roa voarohirohy ho mpanao trafikana menaka rongony antsoina hoe goudron. Nandritra ny fisavana nataon’ny polisy no nahatrarana azy ireo nitondra menaka rongony milanja 17 litatra natao tanaty bidao mavo iray. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, avy any Vohémar ilay tovolahy nitondra ilay menaka. Notsenaina tovovay iray 27 taona kosa izy teo amin’ny seranan-tsambo. “Nampiahiahy ny fihetsik’ireo olona ireo ka niroso tamin’ny fisavana avy  hatrany ny polisy. Nilaza ry zareo fa hoe menaka lavanila ity menaka tanaty bidao ity. Tsy menaka lavanila araka ny nambaran’izy ireo anefa ny tao anaty bidao fa menaka rongony”, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny kaomisaria ao Nosy Be, ny kaomisera Rabearivony Maurice Joël. Nilaza ireo voarohirohy nandritra ny famotorana, fa 360 000 Ar ny litatra amin’ilay menaka lavanila nefa tsy mitombina izany araka ny fanamarihana nataon’ny polisy satria mahatratra hatrany amin’ny 1 tapitrisa Ar ny kilaon’ny lavanila. “Tokony ho lafo lavitra noho izany ny litatra raha tena menaka lavanila”, hoy ny fanazavan’ny polisy.

Fantatra fa ireo mpifoka zava-mahadomelina no tena mampiasa itony menaka itony.

Niaiky ireto olona roa voasambotra ireto fa menaka rongony tokoa ilay nentin’izy ireo. Hentitra hatrany ny polisy any an-toerana amin’ny fisavana ireo olona mampiahiahy mba hisorohana ny trangan-javatra toy izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.