Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahavelona : lavanila nafenina hitan’ny mpangalatra

Mpangalatra nangalarana, izay ny azo ilazana ity mpandraharaha iray efa nahamasaka lavanila ao Mahavelona Foulpointe. Mba hisorohana amin’ny tsy fahitan’ny zandary azy ireto izay manao araka ny azony atao amin’ny fanenjehana ireo mioty lavanila mialoha ny fotoam-piotazana ofisialy, ny 20 jona 2017 ho avy izao, nalevina tany anaty tany ny an’ity mpandraharaha ity ireo lavanila efa masaka, milanja 380 kg anatina fonosana miisa 53 milanja 7 kg isanisany avy.

Ny zoma alina teo, nangalarina andian-jiolahy miisa telo indray ireo lavanila nafenina ireo. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, nofatoran’ireo jiolahy ny mpiambina ilay lavanila nafenina sady voaambana basy ka nanondro ny toerana misy ireo lavanila masaka, nalevina teo akaikin’ny magazay. Naka fiara ireo jiolahy nitondrana ireo lavanila ireo nihazo an’i Toamasina. Nisy nahatsikaritra ilay mpiambina nifatotra ka novahana ka nampandrenesina haingana ny zandary. Raikitra ny fisavana teny amin’ny RN 5 mihazo an’i Toamasina. Teo amin’ny barazin’ny zandary ao Antetezambaro Toamasina vao tratra ilay fiara nitondra lavanila halatra. Mitohy ny fanadihadiana ity raharaha ity.

Sajo

 

Les commentaires sont fermées.