Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Efa any Afrika Atsimo, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ravalomanana Lalao. Hiatrika ny fivorian’ireo mpitantana ny Renivohitra aty amin’ny kaontinantan’i Afrika ny tenany. Andiany fahatelo izao fivoriana izao ary iresahana ny fampandrosoana maharitra ho an’ireo Renivohitra afrikanina. Eo koa ny handinihina ny fahaleovantena ara-bolan’ny kaominina. Hanomboka anio atsy Pretoria izany ary haharitra telo andro.

Nampiofana ireo mpikatroka Tim eny anivon’ny distrika (DisTim) any Vakinankaratra ny mpanorina ny antoko, Ravalomanana, ny faran’ny herinandro teo, tao Antsirabe. Voaresaka tamini’zany ny paikady hiatrehana ny fifidianana. Fa eo koa ny nilazan’ny filoha nasionalin’ny Tim fa marefo izao fitondrana izao na manana ny maro anisa aza, manoloana ireo hetsika sy fitakiana samihafa mahazo vahana tato ho ato.

 

Les commentaires sont fermées.