Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Haody : todiho ny lasa, jereo koa ny ho avy !

Tena tsara ny mahatazona ny fototra. Na izany aza, mitaky asa famoronana mivaingana ihany koa ny ho avy. Raha eo amin’ny tontolon’ny hira, ohatra, tena kanto ny sanganasan-dry Naka Rabemanantsoa, Naly Rakotofiringa, sns. Ny mpamoron-kira ankehitriny ve tsy afaka ny mamorona tahaka azy ireny ?

Matetika saika miantehitra amin’ny fampifangaroana « kanto » efa noforonin’ny teo aloha ny manavanana ny mpanakanto ankehitrio. Mety hamoaka zava-baovao tokoa izy ireny, saingy amin’izay fotoana izay, mbola azo lazaina ve fa manana ny maha izy azy?

… Saika tratran’io avokoa ny ankamaroan’ny kanto malagasy. Diniho tsara anie e !

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.