Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Nitsidika ny fotodrafitrasa hananganana ny ivon-toeran’ny Comesa ao Zambia ny dian’ny filoha Rajaonarimampianina any amin’ity firenena ity. Filoha mitarika ity vondrona ara-toekarena ity rahateo isika. Ankoatra izany, nitsidika orinasa sy toerana manan-tantara any an-toerana koa izy ireo. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta izao fitsidihany ny any Zambia izao.

Nikorapaka ny Praiminisitra Mahafaly ka nandray fepetra samihafa, manoloana ny tsy fandriampahalemana sy ny sondro-bidim-piainana. Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny governemanta tamin’ity herinandro ity izany ka nampitana ny toromarika amin’ireo lehiben’ny mpitandro filaminana sy ireo minisitra hijery akaiky ny vidin’entana amin’ny fitsidiham-paritra ataon’izy ireo.

 

Les commentaires sont fermées.