Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nosy be : teratany vahiny nahatrarana vola sandoka antapitrisany

Nosy be : teratany vahiny nahatrarana vola sandoka antapitrisany

Teratany vahiny iray, tokony ho 30 taona tratran’ny polisy nampiasa vola sandoka nandritra ny fiantsenany tany amin’ny bazary be Nosy be, ny faran’ny herinandro teo. Rehefa natao ny fisavana azy, tsy nahitana taratasy ara-dalàna tany aminy. Mbola “visa” sandoka ihany koa no nampiasainy ary efa lany daty ny pasipaorony.

Nandritra ny fisavana ny tranony, nahitana vola sandoka 2.565.000 Ar tany aminy, niampy vola 1.830 Euro ihany koa. Voalaza fa mitovy avokoa ny laharan’ny vola 10.000 Ar miisa 252 sy vola 5.000 Ar miisa 13. Efa nisy vola sandoka koa ireo Euro izay niisa 34 ny 50 Euro, efatra ny 20 Euro ary 10 ny 10 Euro.

Nilaza ny kaomisera Rabearivony Joel fa tokony samy mailo ny rehetra amin’ireo mpampiasa vola sandoka any Nosy be. Afaka mampilaza ny mpitandro filaminana izay olona mahita toe-javatra mampiahiahy.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.