Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Amin’ny orinasa afakaba 19 : mpiasa 8 792 notoloran’ny vadin’ny filoha fanomezana

Amin’ny orinasa afakaba 19 : mpiasa 8 792 notoloran’ny vadin’ny filoha fanomezana

Ho fanamarihina ny fetin’ny reny amin’ny alahady izao, nanolotra fanomezana ho an’ny mpiasa rehetra lahy sy vavy ao amin’ny orinasa afakaba ao anatin’ny vondrona Filatex Ankadimbahoaka ny vadin’ny filoha, Rajaonarimampianina Voahangy, omaly. Fitaovana fitondrana sakafo, pâte no natolotra ny mpiasa  8 792 ka 6 000 amin’ireo vehivavy avokoa. 19 ny orinasa mivondrona fa nanaovana ny fanolorana ny orinasa Original confection Mada (OCM). “Mamokatra akanjo ny orinasa ary mampiasa olona 1800. Efa nitombo avo telo heny ny isan’ny mpiasa tao anatin’ny telo taona farany, raha 600 no nisantarana azy dimy taona lasa izay”, hoy ny mpitantana ny mpiasa, Randrianasolo Anjara, omaly teny Ankadimbahoaka. Manondrana vokatra 400 000 isam-bolana any Afrika Atsimo izy ireo ary manana vina hahazo tsena ao amin’ny Agoa. Hitarika fanondrotana ny isan’ny mpiasa sy ny milina ampiasaina izany tanjona goavana izany. Afaka mifaninana amin’ireo vokatra iraisam-pirenena ny eto amintsika satria manaja ny fenitra momba ny fanjairana. Polo, body, teeshirt…  karazana fitafiana vokarin’ny OCM izay tantanin’i Chris Evans.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.