Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Alin’ny mpikabary » : hahazo laka ny teny malagasy

« Alin’ny mpikabary » : hahazo laka ny teny malagasy

Ho fanokafana ireo hetsika rehetra hotanterahin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpima maneran-tany) ao anatin’ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Hotontosaina ao amin’ny Carlton Anosy ny 3 jona izao ny « Alin’ny mpikabary ». Hetsika hanomezan-danja ny teny malagasy madiorano. « Tsy hisy hiteny vahiny mihitsy ao. Tsy hisy hira amin’ny teny vahiny… Mba hanaporofoana kosa fa mivelatra sy afaka mifandray amin’ny hafa ny Fimpima maneran-tany, ho hita amin’io fotoana io na ny fandihy avy any ivelany», hoy i Andriamboavonjy Hanitra, filohan’ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fanandratana ny hasin’ny kabary sy ny teny malagasy ity.

Amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 10 ora alina, seho kanto (hira, dihy, kabary, filatroana, kanto mampiavaka ny isam-paritany na sampana…) iarahana amin’ny faritany Fimpima eto an-toerana sy avy any ivelany. Manomboka amin’ny 10 ora alina, korana hafanain’ny Sanda Mozika.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.