Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy tokony hampanginina ny « Raharaha Claudine »

Tsy tokony hampanginina ny « Raharaha Claudine »

 Ahiana ho tsy misy tohiny ? Tsy fantatra intsony hatreto na mbola mitsabo tena etsy amin’ny HJRA, hatramin’izao ny tandapa sady mpandraharaha, Razaimamonjy Claudine na tsia. Efa ho iray volana amin’ny herinandro ambony ny niverenany avy atsy amin’ny Nosy Maorisy nitsaboany tena nandritra ny telo andro. Amin’izao fotoana izao, misy miketrika ny hampanginana ny raharaha ary mitady ny fomba rehetra amin’izany. Efa tokony hihatra anefa ny fidirany am-ponja vonjimaika (MD), niainga tamin’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana misahana  ny ady amin’ny kolikoly (CPAC) ny fiandohan’ny volana avrily teo, taorian’ny nanaovana famotorana azy.  Mazava rahateo ny didy aman-dalàna amin’ny resaka fanodinkodinam-bolam-panjakana tahaka itony na mbola mipetraka aza ny fiahiahiana fa tsy tokony hahazo fahafahana vonjimaika (LP) izany. Izany hoe, tokony ho eny am-ponja vonjimaika ity mpanolotsain’ny filoham-pirenena ity amin’izao fotoana izao. Mitovy amin’ireo sarona noho ny fiahiahiana ho namono olona na koa fanondranana an-tsokosoko andramena.

Manoloana izany, tokony hohajaina sy hapetraka ny fanjakana tan-dalàna. Tsy tokony ho vitavita ho azy satria voahodinkodina ny volam-bahoaka …

Randria

 

Les commentaires sont fermées.