Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Trafikana basy : Revolver sy balana basim-borona 446 saron’ny zandary

Trafikana basy : Revolver sy balana basim-borona 446 saron’ny zandary

Olona telo voasambotry ny zandary avy eny amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava Fiadanana, voalaza fa mpanao trafikam-basy teto an-dRenivohitra, ny 11 mey teo. Nahazo vaovao ny zandary momba ny fisian’ny mpivarotra Kalachnikov. Nanao vela-pandrika ny zandary ka nilaza ireo mpivarotra basy fa misy mitady. Tonga teny Namontana ny roa lahy ka voasambotra ny iray raha tafaporitsaka ny iray. Nahitana basy iray PA 22 long rifle tsy misy taratasy tany amin’ilay tratra.

Nitohy ny fanadihadiana. Nanoro ny namany roa lahy hafa mpivarotra bala ilay voasambotra io. Natao ny velam-pandrika ka tratra teny Fiadanana ireo roa lahy niaraka tamin’ny bala calibre 12 miisa 446.

Natolotra ny fampanoavana, omaly, ny iray ary naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, raha androany vao hatolotra ny fampanoavana ireo nivarotra bala. Porofo ity tranga ity fa misy tokoa ny bala sy ny basy mihodina eto an-dRenivohitra. Ny olana, tsy fantatra izay loharano nipoiran’ireo fitaovam-piadiana ireo.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.