Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – “Afrique Australe U12” : resin’i Madagasikara i Zimbaboe

Tenisy – “Afrique Australe U12”  : resin’i Madagasikara i Zimbaboe

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny ekipa Malagasy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika isan-tarika, ho an’ny sokajy U12, taranja tenisy. Fihaonana tanterahina eny amin’ny kianjan’Ankatso. Resin’ny Malagasy tamin’ny isa 3 no ho 0 indray i Zimbaboe, omaly teo amin’ny andro fahatelo. Samy nivoaka ho mpandresy avokoa i Ugo, izay nandavo an’i Takura, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4 ; 7/5). Toy izany koa, i Johny nanilika an’i Bénédict Badza, tamin’ny seta 2 no ho 0 ihany koa (6/4 . 6/4). Mbola nanamafy izay fandresena izay ihany koa ny olon-droa miaraka, niarahan’i Johny sy Mahefa, nandavo ny mpifanandrina taminy, Takura sy Sibamba, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 ; 6/3). Tsy mbola resy mihitsy izany ny Malagasy hatreto ary mitarika vonjimaika eo amin’ny filaharana ankapobeny. Miala sasatra ny ekipa lehilahy anio, ary hifandona amin’i Afrika Atsimo, rahampitso alarobia. Fihaonana, hamaritra izay ho tompondaka, aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Hatreto mantsy, tsy mbola resy mihitsy hatreto,  ireo ekipa roa ireo. Hiditra an-tsehatra kosa ny vehivavy anio, ka hifanehatra amin’i Zimbaboe.

 Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.