Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Telma : niasa nihoatra ny 10 taona ny 80%-n’ny mpiasa

Notolorana mari-boninahitra ny mpiasan’ny Telma miisa 234, ny asabotsy lasa teo. Notsorin’ny administratera tale jeneraly (AGD)-n’ity orinasa ity fa « niasa nihoatra ny 10 avokoa ny 80%-n’ny mpiasa ao amin’ny Telma. Tsy mitazam-potsiny izahay ary faly sy tena mirehareha manokana aho manana anareo. Hampirisika bebe kokoa anareo hazoto hiasa ny fanomezana mari-boninahitra anareo, toy izao”.

Nisolo tena ny minisitry ny Asam-panjakana, ny asa, ny fiahiana ara-tsosialy ny sekretera jeneraly nilaza fa “zava-dehibe ity fanomezana mari-boninahitra ity satria na eo aza ny fanontoloana, ny fifaninanana sarotra atrehin’ny orinasa malagasy, teo foana ianareo ary nandray andraikitra mandrakariva hisian’ny fahombiazana sy vokatra tsara ho an’ny orinasa. Porofo izao fa lohalaharana tokoa amin’ny tolotra amin’ny fifandraisan-davitra ny Telma eto Madagasikara, na amin’ny internet izany, na ny finday, na amin’ny lafiny hafa  mifandraika amin’izany”.

Njaka A.

Ireo nahazo mari-boninahitra:

Commandeur de l’ordre de national :1 ; Officier de l’ordre national : 7 ; Chevalier de l’ordre National : 114 ; Officier de l’ordre du mérite : 3 ; Chevalier de mérite : 120 ; Médaille du travail en argent : 47 ; Médaille du travail en bronze : 24.

Les commentaires sont fermées.