Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Praiminisitra Mahafaly – Halatra lavanila : « Hoesorina ireo tompon’andraikitra mpiray tendro »

Praiminisitra Mahafaly – Halatra lavanila  : « Hoesorina ireo tompon’andraikitra  mpiray tendro »

« Hoesorina amin’ny toerany ireo tompon’andraikitra any amin’ireny faritra misy lavanila ireny ka miray tsikombakomba amin’izany. Homena sazy henjana avy hatrany raha voaporofo izany… », hoy ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana, omaly teny Mahazoarivo. Nikaondoha tsy ara-potoana momba izany fepetra noraisina izany ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta, nahitana ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny Fiarovam-pirenena, ny zandary sy ny polisy. Anisan’ny niteraka herisetra sy fandratrana ary koa fitsaram-bahoaka mihitsy io resaka halatra lavanila io amin’izao fotoana izao. Nohitsiny fa tsy misy indrafo ho an’ireo sarona mioty lavanila manta sy tsy mbola matoy.

Sarotra fehezina ny resaka halatra lavanila

Niaiky ny lehiben’ny governemanta fa sarotra fehezina io raharaha io. Nambarany anefa fa tokony hohajaina ireo fe-potoana samihafa voalazan’ny lalàna momba ny fivarotana izany. Hidina ifotony, ho any amin’ireo faritra mena momba ity resaka halatra lavanila ity mihitsy aza ny tompon’andraikitra, hampahafantatra sy hanentana ny olona ny lalàna mifehy izany. Manampy izany ny fametrahana mpitandro filaminana hiasa maharitra amin’ireny faritra ireny. Hapetraka koa ny dinam-paritra eny anivon’ny fiarahamonina.

Midika izany fa hamaky ady sy hitady ny fomba rehetra hisakanana sy hampitsaharana ny fihanaky ny herisetra sy ny  fitsaram-bahoaka manodidina ity halatra lavanila ity ny mpitondra.

Andrasana koa anefa ny fepetra hafa horaisin’ny fanjakana ankoatra ny resaka halatra lavanila. Anisan’izany ny fepetra ankapobeny momba ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana ankapobeny.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.