
Taranja hafa ianarana any an-tsekoly ivelan’ny efa nahazatra hatramin’izay (matematika, fizika, malagasy, sns) ny “activités parascolaires” (parasco). Mety ho zaitra, fambolena na fiompiana, mozika sy dihy, sary, lomano, sns. Raha ny fanadihadiana natao, tsy mbola mahazo vahana loatra izy io eto Madagasikara, indrindra fa any amin’ireo sekoly miankina amin’ny fanjakana. Ny mifanohitra amin’izay anefa no hita any amin’ireo sekoly lehibe tsy miankina amin’ny fanjakana satria tafiditra ao anatin’ny taranja hahazoana naoty izy ireny.
Antony iray nambaran’ireo mpitantana sekoly sasany fa tsy hisian’ny “parasco” ao aminy ny tsy fahazotoan’izy ireo hampiakatra intsony ny vola alaina any amin’ny ray aman-dreny. Ho an’ny mpitantana sekoly hafa indray: “efa kajianay ao anatin’ny saram-pianarana ny vola hampandehanana ny “parasco” ka ny mianatra no adidin’ny mpianatra“.
Marihina fa raha ny fanazavan’ny manam-pahaizana momba ny fivoaran’ny saina, anisan’ny manampy ny mpianatra ny fanaovana “parasco“. Saika mampiasa azy ity avokoa ny sekoly rehetra any am-pitandranomasina. Tsy fakan-tahaka be fahatany raha havaozina ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara fa fitsinjovana ny hoavin’ny taranaka. Mila hampitomboina araka izay azo atao ny sekoly ahitana “parasco” ka hampifanarahana amin’ny zava-misy marina eto Madagasikara ny fanaovana izany fa tsy ho tefitefena sy hatao tery vay manta hifanaraka amin’ny “fanabontoloana” fotsiny.
HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.