Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Governemanta frantsay : voatendry ho PM i Edouard Philippe

Governemanta  frantsay  : voatendry ho PM i Edouard Philippe

Tsy an-kiandriandry. Notendrena, omaly avy hatrany ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta frantsay  amin’izao fitantanan’ny filoha Emmanuel Macron izao i Edouard Phippe. Depiote, ben’ny Tanànan’i Havre ary 46 taona  ny tenany. Avy amin’ny hery an-kavanana sady akaiky ny praiminisitra sy efa minisitra teo aloha, Alain Juppé.

Nialohavan’ny fianianan’ny filoha Macron ny alahady teo izany ary nametrahany ny fanamby. « Haverina ny fahatokisan’ny vahoaka ny mpitondra. Hapetraka amin’ny toerana tsaratsara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Frantsa. Asa maharitra ilaina finiavana nefa tsy maintsy hatao izany”, hoy ny lahateny voalohany nataon’ny filoha Macron, ny alahady 14 mey tamin’ny famindram-pahefana teo aminy sy ny filoha teo aloha, François Hollande. Nanteriny fa hanorina ny firenena araka ny fanirian’ny tanora ny tenany ka hametraka ho ambony ny tombontsoam-pirenena. Nifampiresahana amin’ireo bekotromaroholatra sy ireo vahoaka niatrika izanyizy avy eo. Nanambara kosa ny filoha teo aloha, François Hollande fa nahatsiaro ho afa-po manoloana ny vitany tamin’ny fitantanany an’i Frantsa. Anisan’izany ny namerenana ny soatovina sy ny fampidinana ny tahan’ny tsy fananana asa.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.