
Tafapetraka ny vatofehizoro. Hametraka ivontoerana ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana eny Ambohitrarahaba ny fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana (Astrama). “Natao, hanabeazana sy hamolavolana ireo tanora mpitsabo ary koa hitehirizana ny vakoka sy ny kolontsaina ara-pahasalamana izany. Tafiditra amin’ny faha-20 taon’ny Astrama koa”, hoy izy ireo, omaly. Voatsiahy fa mbola manana ny toerany ny fitsaboana nentim-paharazana. “Mampianatra, mitaiza sy mitsabo ary andry iainkinan’ny soatoavina malagasy ihany koa”, hoy ireo nandaha-teny. Voafaritra ao anatin’ny politikan’ny fahasalamana ary anisan’ny sehatry ny asa tanana 14 voalohany ity fitsaboana ity, araka ny nambaran’izy ireo. Misedra olana anefa ny Astrama, manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainana ka mbola hangataka fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny ala.
Etsy andaniny, tsy afa-misaraka amin’ny fitsaboana maoderina ity karazam-pitsaboana ity, saingy manana ny sata manokana mifehy azy ary voafehin’ny lalàna momba ny fahasalamam-bahoaka.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.