
Mitohy ny fanohanana ny fampandrosoana eny ifotony, eo amin’ny lafiny fanabeazana. Nanolotra dabilio miisa 500 ho an’ny EPP eny anivon’ireo kaominina 18 ny lehiben’ny faritra Analamanga, Rakotonanahary Ndranto, omaly. Notsinjaraina, omaly tetsy Isotry, izany ka anisan’ny nahazo ny anjarany ny distrikan’Anjozorobe, Avaradrano sy Atsimondrano miaraka amin’Ambohidratrimo sy Ankazobe. Tafiditra amin’ny fandraisan’anjaran’ny faritra amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana sy ny fampianarana izao hetsika izao. Voafaritra koa amin’ny tondrozotra andininy fahefatra amin’ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy (ODD) izany. Tsy vao voalohany rahateo fa efa fanaon’izy ireo ny fanatsarana sy fanavaozana ary fanamboarana ireo fotodrafitrasa, toy ny sekoly, CSB ary koa ny lalana eny anivon’ireo kaominina. Eo koa ny lafiny fanohanana ny tanora sy ny fanatanjahantena
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.