Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

EFOI, FEEM, Rida : hasongadina ny vokatra azo ahodina

EFOI, FEEM, Rida : hasongadina ny vokatra azo ahodina

Nisokatra omaly ary hifarana amin’ny asabotsy izao ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny zavaboahary andiany voalohany, hatao eto Antananarivo. Iarahana amin’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina (EFOI) sy ny fikambanam-behivavy mpandraharaha amin’ny sehatry ny tontolo iainana any mahajanga (FEEM) ary ny tambajotra iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana ny asa tanana (Rida) ny hetsika.

Lohahevitra voizina mandritra ny enina andro ny momba ny loko voajanahary sy ireo zavamaniry ary akora fototra azo havaozina mifanaraka amin’ny fikajiana ny tontolo iainana.

Mahatratra 65 ireo manam-pahaizana avy eto an-toerana sy avy amin’ny firenena 24 hafa mifanakalo hevitra momba ny fampiroboroboana ny loko voajanahary.

Eo koa ireo mpanao asa tanana 50 avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara sy avy amin’ny firenena 12 hafa ao anatin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina.

Kendrena amin’ity fihaonambe ity ny fivelarana eo amin’ireo mpanao asa tanana mifototra amin’ny akora voajanahary sady mikendry ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo koa ireo mpanao fikarohana sy mpianatra ary indrindra ireo mpanodina lohamenaka. Ankoatra izany ireo mpanamboatra fanafody amin’ny alalan’ny zavamaniry….

Raha ny fandaharam-potoana mandritra ny herinandro, hisy ny adihevitra ara-tsiantifika isa-maraina hatao etsy amin’ny IFM Analakely sy etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Atrikasa fanehoana ny fahaiza-manao kosa ny hariva. Misokatra ho an’ny daholobe kosa ny varotra fampirantiana.

Hitohy any Mahajanga ny hetsika manomboka ny 21 mey hatramin’ny 27 mey izao. Hisy ny fitsirihana ny ala any Boeny toy ny ao Ankarafantsika sy ny eny amin’ny ala honko betsiboka iarahana amin’ny vondron’ny mpanao asa tanàna any an-toerana.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.