Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : basy roa indray tratran’ny polisy

Toamasina  : basy roa indray tratran’ny polisy

Nanao tatitra tamin’ny mpanao gazety ny polisy miasa eo anivon’ny kaomisaria foibe tamin’ny alalan’ny lehibeny, ny kaomisera Rafindahy Manitra, ny herinandro teo momba ny asa vitan’izy ireo tao anatin’ny telo volana. Basy roa indray no azon’ny polisy nandritra ny fifanenjehana tamin’ireo jiolahy. Toaka gasy 200 litatra, miisa valo ireo jiolahy mpamerin-keloka tratra raha miisa 37 kosa ireo trangana fanendahana sy sinto-mahery nahasamborana mpangalatra. Miisa 17 ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery tratra raha miisa 14 kosa ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana tratra. Nohamafisin’ny lehiben’ny kaomisaria foibe hatrany fa nihena ny asa ratsy tamin’ireo fokontany isan’ireo faritra mena ao Toamasina. Isan’izany ny ao Ambolomadinika, Andranomadio, Ankirihiry ary Tanambao fahadimy. Manentana ny fiaraha-miasa amin’ireo olona tsara sitrapo hatrany ny polisy amin’ny fanomezana loharanom-baovao mba hamongorana ny asan-jiolahy sy hampihenana hatrany ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina.

J.C

Les commentaires sont fermées.