Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahanoro : naiditra am-ponja ilay lehilahy nahatrarana vola sandoka 51 tapitrisa Ar

Mahanoro  : naiditra am-ponja ilay lehilahy nahatrarana vola sandoka 51 tapitrisa Ar

 Nidoboka am-ponja ao Vatomandry ilay lehilahy voarohirohy ho mpanamboatra vola sandoka, saron’ny polisy tao Mahanoro, ny herinandro teo. Tratra tany ny vola sandoka 51 tapitrisa Ar…

 

Saron’ny polisy nandritra ny fisavana ny sakaosy lehibe iray teny aminy tao Mahanoro ireo vola sandoka mitentina 51 tapitrisa Ar. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, avy any Masomeloka izy ka nikasa hanaparitaka ireo vola sandoka ireo tany Mahanoro, kanjo tratra tampoka nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Somary nampiahiahy ny polisy ny fihetsiny ka  nahatonga ny polisy nanao fisavana azy ka nahatrarana ireo vola sandoka marobe ireo. Niaiky ny heloka vitany avy hatrany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Nanondro ireo olona mpiray tsikombakomba aminy amin’ny fanamboarana sy fanaparitahana ireto vola sandoka ireto amin’iny faritra iny izy. Nanao ny fikarohana avy hatrany ny polisy, saingy tsy hita kosa ireo roa lahy notondroiny ho mpiray tsikombakomba aminy. Tsy mbola hita koa ireo fitaovana fanamboaran-dry zalahy ireo vola sandoka.

Isan’ny faritra malaza ratsy amin’ny fanaovana vola sandoka iny faritra iny. Hatreto aloha tsy fantatra mihitsy izay tena atidoha sy ambadiky ny fanamboarana itony vola sandoka itony. Miezaka manao izay ho afany hatrany kosa ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana ireo tambajotra manaparitaka itony vola sandoka itony. Tsy kely lalana anefa ny ratsy ka izao nahitam-bokany izao ny ezaka nataon’ny polisy.

J.C

Les commentaires sont fermées.