Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Maevatanana : tratra ny jiolahy mpanakan-dalana sy mpitoraka fiara

Maevatanana : tratra ny jiolahy mpanakan-dalana sy mpitoraka fiara

Saron’ny zandary tao Ambavahaditany Antanimbary distrikan’i Maevatanana, ny herinandro teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanakan-dalana sady mpitoraka fiara amin’iny RN 4 mihazo an’i Mahajanga iny. Teo am-panaovana fisafoana mandeha an-tongotra toy ny fanaony isan-kalina ireo zandary avy ao amin’ny poste fixe Antanimbary no nampandrenesin’ny fiara iray nifanena tamin’izy ireo fa notorahin’ny jiolahy. Tsy nijanona ity fiara ity fa niezaka nanohy  ny lalany hatrany. Nihazo ny toerana voatondro avy hatrany ny zandary ka raikitra ny fifanenjehana tamin’ireo jiolahy. Nandositra ry zalahy raha vao nahatsikaritra ireo zandary avy aoriana. Raikitra ny fifanenjehana ka noraisim-potsiny ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Tafaporitsaka tao anaty haizina kosa ny iray izay efa fantatra ny momba azy ka eo am-pikarohana ity jiolahy ity ny zandary ao Antanimbary.

Nanentana ireo mpampiasa iny RN 4 iny ny zandary mba hifanome tanana hatrany amin’ny famongorana ny jiolahy mpanakan-dalana. Na eo aza ny fisafoana ataon’ny zandary andro aman’alina, tsy misy maharatsy ny fanampiana amin’ny fanomezam-baovao ara-potoana mba hahafahana miady amin’ny mpanao ratsy ary koa misoroka ny asan-jiolahy.

J.C

 (Tahirin-tsary)

 

Les commentaires sont fermées.