Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sabotsy Namehana : olona 1250 manao asa tana-maro

Sabotsy Namehana  : olona 1250 manao asa tana-maro

Notanterahina teny amin’ny distrikan’Avaradrano, kaominina Sabotsy Namehana indray ny asa tanamaro izay karakarain’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fampiroboroboana ny vehivavy.

Mahatratra 1250 ireo olona avy amin’ny fokontany 17 mifarimbona amin’izany asa tanamaro izany. Miasa mandritra ny ora dimy isan’andro izy ireo ary karamaina 5000 Ar isan’andro. Diovina avokoa ny lakandrano rehetra izay manentsina ny fikorianan’ny rano hiditra any an-tanimbary indrindra taorian’ny orana tamin’ny fotoam-pahavaratra teo.

Mirefy 1,2 km ny halavan’izany lakandrano izany ary manondraka tanimbary mirefy 700 ha  ao amin’ny fokontanin’ Atsinanantsena, Andrefantsena, Tsarafara, Soaniadanana, Ambatofotsy, Antsahatsiresy, Beravina, Botona, Ambohidrano Andrefana, Antsofinondry, Ambodivoina, Namehana, Ambohinaorina, Amorondria, Manarintsoa, Ambohibary ary Andidiana.

Manantena fahatsaran’ny voka-bary ny mponina aorian’ny fanadiovana ity lakandrano izay tototry ny antsanga ity.

Tsy nanadino ny fikambanam-behivavy tao Avaradrano ihany koa ny minisitry ny mponina. Nahazo milina fanjairana ireo fikambanam-behivavy telo hahafahany mivelona sy mahaleotena. Notolorana zezika ihany koa izy ireo hahafahany mampiroborobo ny fambolena.

Tetsy andaniny ireo zokiolona izay tsy diso anjara ka nizarana vary sy savony…

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.