Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

ONG C3 : hofanina ny tanora hiaro ny Lambohara Vonjy A.

ONG C3  : hofanina ny tanora hiaro ny Lambohara Vonjy A.

 Nandray anjara amin’ny Andro eran-tany ho an’ny vorona mpifindra monina ny conservation centrée sur la communauté à Madagascar (C3), omaly, teny Ankatso. Na tsy miaro ny vorona mivantana aza ny ONG, miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana izy ireo satria miaro kazaram-biby mifindra monina any an-dranomasina : ny lambohara. Karazam-biby monina any anaty ranomasina ahina ho lany tamingana ny lambohara mbola hita betsaka any amin’ny Nosy Hara any Antsiranana. Miray ombon’antoka amin’ny mpanjono ny ONG hiaro io biby io satria izy ireo no manana fitaovana ahina mety handratra azy rehefa miasa. Mahasarika mpizahatany betsaka indrindra ny vahiny mpankafy ny fidinana any ambany ranomasina (plongée sous marine) ny mijery lambohara.

Manofana tanora ny ONG mitety ny vohitry ny mpanarato hiaro ny lambohara. 500 kg ny lanjany ho an’ny lehibe, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny C3, Tidahy Sébastien.

 

300 ny karam-borona arovana

“300 eo ho eo ny karazam-borona arovana fa ny 65 amin’ireo no mpifindra monina, mizara sokajy ny vorona any anaty ala na voron-dranomasina eto amintsika”, hoy ny tomponandraikitra amin’ny fiarovana ny karazam-biby ahina ho lany tamingana, Zarasoa. Rehefa tonga eto Madagasikara ireo karazam-borona ireo, mipetraka amin’ny toerana maromaro iraisana. Mifandrimbona miaro ireny toerana ireny ny minisitera sy ny mpiray ombon’antoka satria misarika mpizahatany betsaka ny fijerena ny vorona eto amintsika. Indroa isan-taona, manisa ny karazam-borona mandalo sy mipetraka eto ny mpikaroka. Efa nampitomboina 15 rahateo ny toerana nosokajina site Ramsar (faritra mando) ahitana azy ireny.

Les commentaires sont fermées.