Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv
Logo Free News

VAKY BANTSILANA : Nakaiza tanteliko teto ?

Raha ny resaka mandeha amin’izao fotoana izao, sady efa nentina teto amin’ny gazety Free News, dia fantatra amin’izao fa efa tsy eto Madagasikara intsony ilay loholona mpiandry marary tetsy amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Araka ny vaovao voaray dia efa any Sina amin’izao fotoana izao izy. Tsy fantatra izay ataony any, ny raharaha miandry azy eto an-toerana anefa betsaka, tena betsaka.

Ao anatin’ny fotoam-pivoriana amin’izao ny loholona, fivoriana izay tena ara-potoana tokoa araka ny filaza azy, saingy izao izy lasa any ivelany izao. Eo ihany koa ny fitoriana izay nataon’ny teo anivon’ny sendikan’ny mpitsara, izay mbola ilana azy. Ny tena mahavariana, nanana fotoana betsaka izy teo aloha teo fa naleony niandry marary ka rehefa tonga ny ilana azy dia lasa izy mialokaloka any Sina.

Dia iza indray izany izao no hanakana ny varavarana raha tonga hanao fitsidihana ao amin’ny efitrano faha-126 etsy amin’ny HJRA ny mpitsara? Ny irariana dia mba ho sitrana amin’izay ilay marary tao satria misy fandriana efa mangatsiaka eny Antanimora. Mila apetraka amin’ny toerany ny zavatra rehetra. Eny mantsy ny toerana tokony hisy ny olona tazomina am-ponja vonjimaika fa tsy ao amin’ny hôpitaly rehefa tapitra ny fotoana tokony hitazomana azy ao.

Ny zavatra tsy tokony ho adinoina, tsy mangina velively ity raharaha ity na tsy dia voaresaka matetika intsony an-gazety toy ny teo aloha aza. Mbola ao amin’ny efitrano faha-126 ny mason’ny olona rehetra, ny mpamatsy vola iraisam-pirenena izao iny no efa nilaza fa manaraka akaiky io raharaha io. Misy antony izay. Efa hivadika ho volana ity ny raharaha, tsy nandrenesam-peo anefa ny tompon’andraikitra ambony eto amin’ny tany sy ny firenena.

Tsy manindrona izany fa mampieritreritra sao hanenenana lahy, ka sao taitra ny olona tsy mba taitra ka rehefa taitra irery vao hihira: “nankaiza tanteliko teto?”.

TM

Une réponse à "VAKY BANTSILANA : Nakaiza tanteliko teto ?"

  1. Rakotoarisoa Maminiaina N  11/05/2017 à 10:45

    Misy miandry foana ny varavarana ao kah, oahatra ,ny minisitry ny fambolena, ny fahasalmana, ireny akama bonne ireny e!!!Mirary soa tompoko

Les commentaires sont fermées.