Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv
Logo Free News

VAKY BANTSILANA : Voageja anaty fahafahana…mampitsoa-pahana

Nanaitra ny mpanao gazety maromaro ny fanivanana natao azy ireo nandritra ny fitrandraham-baovao tetsy amin’ny Banky foiben’i Madagasikara, Antaninarenina, ny farany herinandro lasa teo. Na dia noheverina aza fa amin’izao andro mazava be izao, misy hatrany ny mizana tsindrin’ila sy ny karazany halako bika tsy tiako tarehy mianjady ny mpanao gazety eny am-panatanterahana ny asany. Tsy ny eo ihany, fa misy koa ny avy amin’ireo minisitera sasantsasany, izay manakatom-baravarana ny amin’ny tokony hahazoam-baovao ho an’ny vahoaka. Manjaka ny tsindrilentam-pahefana…Voageja anaty fahafahana ny asa fanaovan-gazety, na vao tamin’ny 3 mey teo aza ny fankalazana ny fahalalahan’io asa masina io. Tsy mahafotsy rora miteny ny milaza fa voageja anaty tsy fandriampahalemana ny fiainam-piarahamonina malagasy. Anisan’ny ianjadian’izany ny Ampanjaka any amin’ny Faritra Farafangana iny, afakomaly, satria maty nisy namono. Mandrimandry manana aretina ny mpitandro filaminana, manoloana izany. Nisesisesy ny tsy fandriampahalemana…ianjadian’izany ny olon-tsotra, mpitarika fivavahana toa an-dry Mompera, izao indray miantefa any amin’ny Ampanjaka. Mahazo vahana ny herisetra, ny halatra, ny vono olona an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra. Mahita ny tsy fahita tahaka ny sinibe nandrahoan-kena ny valalatsimandadiharona. Andrasana efa ho mandifotr’olona ve ny rano vao hikoropaka ny mpitondra fanjakana? Ireo mpitondra ao anatin’izao fahasahiranam-bahoaka izao, misodika ambony toa menaka hatrany. Mifanahina haron-tabebaka, lasan-ko vavany fotsiny. Fikasana tokoa, iray lohasaha fa ny zava-bita aloha, mbola tsy misy rainjehy. Ambentin-teny ny filazana fa efa mipaka ifotony ny fampandrosoana. Ny tsirairay no aoka hanamarina raha mihamandroso sy mihabetsaka ireo iharan’ny tsy fandriampahalemana ara-tsakafo. Mihamaro ireo mitezotezo tsy velon-komana sy mitofezaky ny hanoanana. Tsy ampy iantsenan’ny renim-pianakaviana intsony, ohatra, ny iray alina ariary. Mampiteny ny moana sy mampitsoa-pahana ny fidangan’ny vidim-piainana. Mbola mitaky ny tena fahaleovantenany hatrany ny eo anivon’ny Fitsarana. Miroborobo any amin’ny Tribonaly ny fanitsakitsahana isan-karazany ny zo noho ny herin-dRavola. Tsy resahina intsony ny olana resaka fananan-tany, izay mahazo laka eny anivon’ny Fitsarana. Manginy fotsiny ny fitsarana, anaovan’ny sasany politika. Miezaka mitaky ny fahafahany araka izay afany, ny eo anivon’ny Fitsarana. Anisan’ny mbola andrasan’izy ireo, ny fampiharana ny tany tan-dalàna, izay miainga avy amin’ny Filoham-pirenena. Na inona anefa filaza, raha tsy misy ny fahatsapan-tena marina fa ny vahoaka lolohavina amin’ny fitsinjovana sy ny fiahiana…Aza gaga raha rovam-boasary an-tsena lava, ny raharaham-pirenena, ka lany vato aman’andrana.

Rado Harivelo

Les commentaires sont fermées.