Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv
Logo Free News

FILOHA FRANTSAY VAOVAO : Andrasan’ny AKFM ny politika ivelany ho an’i Madagasikara

“Na raharahan-tokantranon’ny Frantsay aza ny fahalanian’ny filoha frantsay vaovao,Emmanuel Macron, tsy maintsy misy fifandraisany sy fiantraikany amin’ny fifandanjan-kery iraisam-pirenena, amin’ny maha firenena lehibe an’i Frantsa. Ho an’ny eto Madagasikara, tsotra ihany ny andrasana amin’ny filoha frantsay vaovao, ny fanafoanana ny politika Frantsa Afrika”. Io no fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko AKFM, Rakotomanga Eric, omaly maraina, tetsy amin’ny foiben-toerany, Andravoahangy Ambony. Nohazavainy fa ankoatra ny fanafoanana ny “Frantsa-Afrika”, andrasana koa ny fanaikeny ny fanapahan-kevitry ny Firenena mikambana momba ireo Nosy manodidina, izay mbola giazan’ny Frantsay, hatramin’izao, izay Nosintsika malagasy madiodio. Etsy andaniny izay, vonona ve Emmanuel Macron, filoham-pirenena frantsay vaovao ity, hampihatra ny lalàn’ny fifandraisan’ny firenena anankiroa hisian’ny tombontsoa iombonana? “Goavana io satria miankina amin’io ny tena fisian’ny fiandrianam-pirenena iray toa an’i Madagasikara”, hoy hatrany ny fanazavana.

Mitohy ny tolona

Raha tsy vonona amin’ireo zavatra telo loha lehibe ireo ny firenena frantsay fa hanohy ny politika efa nataony amin’i Madagasikara hatramin’izay. Tsy niolaka ny filohan’ny antoko AKFM nanambara fa “mitohy hatrany ny tolona amin’ny fanafoanana ireo tsindritsindry sy ny mbola eo ambany vahohoan’i Frantsay”. Mitohy ny tolona ary tsy mihemotra na oviana na oviana ho an’ny tombontsoan’ny taranaka fara aman-dimby. “Raha ho an’ny fitondrana mijoro ankehitriny, tsy azo antoka aloha ny mety hirosoany amin’izay ady ho an’ny fanafahana ireo Nosy manodidina ireo. Ireo izay Malagasy nitolona hiady ho an’izany aza, mbola nodarofan’ny fitondrana baomba mandatsa-dranomaso. Noho izany, tsy azo antoka ny hametrahan’ny mpitondra ny tolona tahaka izany”, hoy hatrany Rakotomanga Eric. Na inona anefa filaza, ny fahatongavan-tsain’ny vahoaka malagasy no tena andrasana, mba tsy hataon’ny firenen-dehibe tohatra fiakarana hatrany. Mbola mitoetra ve ny fitiavan-tanindrazana sy fanajana toy ny anakandriamaso ny fiandrianam-pirenena, indrindra ho an’ireo mpitondra?

Pierre M.

Les commentaires sont fermées.