Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv
Logo Free News

FANAMBARAN’NY MMM : “Fanjakana voavidy vola izao fanjakana misy izao”

Namoaka fanambarana ny vondrona politika Malagasy Miara-Miainga tamin’iny omaly iny. Fanambarana izay sady mahitsy no mivantana, nilazan’izy ireo ny fomba tsy mety rehetra hitantanan’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny firenena amin’izao fotoana izao. “Noho ny fomba fitantanana sadasada sy ireo tsy fanarahan-dalàna maro samy hafa, hita ary voaporofo, nataon’ny fitondrana Rajaonarimampianina dia tafalatsaka anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana ny vahoaka malagasy sy ny firenena. Hatramin’ny nipetrahan’ity fitondrana ity dia niharitra fangirifiriana sy tsy fahamarinana hatrany ny vahoaka, esorina aminy ny tany, fototry ny asa fivelomany, ary tsy mba nasiana tambiny ara-drariny akory. Tsapa sy hita fa ireo andrim-panjakana isan-tsokajiny dia efa voalamina sy voarindra mba hanafenana sy hiarovana ireo fanodikodinana isan-karazany, ireo tsy fanarahan-dalàna isan’ambaratongam-pahefana, ary indrindra hiarovana ireo mpandroba ny harem-pirenena, akaiky ireo mpitondra”, hoy ny fanambarana navokoan’ity vondrona politika ity. Nambaran’ny teo anivon’ny MMM fa tsy mbola tonga tamin’ny endriny mampiorikoditra tahaka izao ny fizarazarana ara-tsosialy sy ny tsy fisian’ny fahamarinana teto amin’ny firenena, nefa toa inian’ny mpitondra tsy jerena anefa izany. Notsindrian’ity fanambarana navoakan’ny antoko Malagasy Miara-Miainga ity fa olona vitsy fotsiny no misitraka ny fanampiana azo avy amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena, ny fanampiana omen’izy ireo anefa izay tokony ho an’ny Malagasy iray manontolo. Nanao antso ho an’ny vahoaka rehetra araka izany ny antoko MMM mba hiara-hanaitra ny sain’ireo mpamatsy vola hiara-handinika amin’ny Malagasy ny fomba tokony hanaovan’izy ireo izany famatsiana izany satria olom-bitsy fotsiny no misitraka azy. Nanambara ihany koa izy ireo fa fotoana izao ho an’ny vahoaka Malagasy hiaraka hifanome tànana hanala an’I Madagasikara ao anatin’izao fahasahiranana lalina dia lalina izao.

Ny Fanoratana

Les commentaires sont fermées.