Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv
Logo Free News

TAPANY

Voatohintohina ny fitrandrahana vaovao

Mpanao gazety maromaro no voasaka tamin’ny fitrandraham-baovao notanterahina tao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara, Antaninarenina, ny zoma teo. Voatohintohina, araka izany, ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, raha ny zava-niseho teny an-toerana. Vao ny 3 mey teo anefa no nankalazana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Mbola lavitra ezaka ny fametrahana ny asa fanaovan-gazety ho hery fahefatra raha ny zava-misy eto Madagasikara.

Olona telo no maty tany Toliara

Taorian’ny famaranana fifaninanana kopikole notanterahina tany Toliara, ny farany herinandro teo, fantatra fa olona telo no maty ary ampolony ireo naratra, nandritra ny fivoahana ny vavahady nanatanterahana ny lanonam-pamaranana tany an-toerana. Nisy nilaza fa gafy no nahatonga izao voina izao. Anisan’ny niteraka izao loza izao, ny fibosesehan’ny olona nivoaka teo amin’ny vavahady nandritra ny firavana.

Te hametraka ny olony hatrany ny Frantsay

Mikorontana tanteraka ny raharaham-pirenena ankehitriny“, hoy ny filohan’ny antoko Asandratro ny fireneko, James Ratsimba, ny farany herinandro teo. Anisan’ny tomponandraikitra amin’izany ny Frantsay, izay te hametraka ny olony hatrany. Nohozavainy fa manhy ny ho lasan’ny Tavaratra sy ny Tiorka ary ny Sinoa ny harenantsika izy ireo, izay heveriny ho toy ny azy.

Les commentaires sont fermées.