Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Top 16 Analamanga» : tsy nety hilalao ny Cosfa sy ny JSTA

Rugby – «Top 16 Analamanga» : tsy nety hilalao ny Cosfa sy ny JSTA

Tsy nahasakana ny fanohizan’Analamanga Rugby  ny fanatontosany ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondaka  ny sazy sy ny antso nataon’ny Malagasy Rugby. Tontosa, omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Malacam Antanimena, ny andro faharoa amin’izany fifaninanana izany. Na izany aza, tsy raikitra ny fihaonana tokony ho nikatrohan’ny JSTA Ambondrona sy ny Cosfa (Bebaoty). Efa samy vita akanjo ny roa tonta ary efa hiomana hiakatra ny kianja, saingy nosakanan’ireo tomponandraikitra  ao aminy  tsy hanatanteraka ny fihaonana.

Miandry izay ho tohin’ity raharaha ity indray izany ny rehetra. Ny filohan’ny Analamanga Rugby kosa, nanambara fa mbola misy hatrany ireo mpanakantsakana nefa zon’ny ligy ny mampandeha ny fiadiana ny ho tompondaka.

Tontosa hatramin’ny farany kosa ny lalaon’ny TFMA Ankasina sy ny an’ny Stade olympique de l’Emyrne. Lavon’Ankasina, tamin’ny isa 17 no ho 11 ry zareo  Tapany mena. Resin’ny USA Ankadifotsy, tamin’ny isa 11 no ho 6 kosa ny US Ikopa.

Lalao ara-pirahalahiana kosa ny an’ny  Savony sy ny VTMA Antsalovana, izay  nisolo ny toeran’ny UIRC, tsy afaka niatrika ny lalao ihany koa omaly. Lavon’ny Savony, tamin’ny isa 42 noho 12 ry zareo VTMA.

Hitohy amin’ny alahady ho avy izao  indray ny andro fahatelo amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga  ity.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.