Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpanafika sy mpandroba ao Toamasina : sarona ny sasany amin’ireo ireo jiolahy

Mpanafika sy mpandroba ao Toamasina : sarona ny sasany amin’ireo ireo jiolahy

Saron’ny fiaraha-miasan’ny sampana sy sakelika isan-karazany eo anivon’ny  polisim-pirenena ry Zozo Be sy ekipany izay tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana mahery vaika any Toamasina.

Nahafatesana olona efatra tao anatin’ny iray volana sy fandrobana fivarotana maro miaraka amin’ ireny mpaninjara fahana finday ireny miisa telo ny asa ratsin’izy ireo. Manginy fotsiny ny fahaverezana moto sy fandratrana olona efa ampolony. Niara-nisalahy, noho izany, ny polisy any an-toerana nahitana ny boriborintany voalohany sy faharoa, ny UIR ary ny Fip ka sarona, ny alatsinainy 1 mey teo, i Zozo Be niaraka tamin’ny basy poleta marika 22 Rafle sy bala miisa dimy, sy ny namany miisa enina hafa. Efa teo am-panomanana fanafihana hafa indray izy ireo, raha roa lahy hafa kosa afaka nitsoaka tamin’ny moto niaraka tamina fitaovam-piadina roa samy hafa. Jiolahy efa mpamerin-keloka i Zozo Be, raha ny fanazavana nataon’ny kaomisera, Razafindahy Manitra Fleurys, ary niaiky rahateo io jiolahy io fa efa nahafaty olona miisa roa, kanefa tsy voatazona ela ao am-ponja ny tenany. Nandritra ity fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny zoma tolakandro teo ity, nilaza ity komisera ity fa niatomboka ny volana janoary taona 2017 ka  hatramin’ny volana marsa teo, efa miisa roa ny basy saron’ny polisy teo anivon’ny UIR, raha 21 kosa ny antsy lava entina jiolahy mandrava, 450 grama ny rongony, 200 litatra kosa ny toaka gasy. Mitotaly 60 ny jiolahy voasambotra ka ny valo amin’ ireo mpamerin-keloka ary 17 ireo vaky trano voaaro sy nahasamborana jiolahy miisa 37, miisa 40 kosa ny mpangarom-paosy, raha ny fanazavan’ny kaomisera Razafindahy Manitra Fleurys hatrany.

“Vao valo volana izay ny niasako teto taorian’ny namerenana ahy avy tany Fianarantsoa, ary mitotaly valo ihany koa ny jiolahy matin’ny balan’ny Fip, faramparan’ny taona 2016 ny telo, raha dimy kosa tao anatin’ny telo volana voalohany taona 2017. Araka ny ambarako hatrany fa tsy hitsitsy manoloana ny asa fampihorohoroana sy fanafihana ataon’ny jiolahy ny Fip”, hoy ity komiseran’ny Fip izay anisan’ny lehibena polisy atahoran’ny jiolahy any Toamasina. Nambarany kosa fa manao ny asa tahaka ny fanaon’ny polisy rehetra ny Fip, ka anisan’ izany ny nahatraran’ izy ireo moto halatra miisa 10, raha mitotaly enina ny vonoan’ olona niniana natao sy fandratrana olona. 16 ny halatra tsotra, raha miisa enina halatra miharo vaky trano.

Sajo sy Yves S.

Les commentaires sont fermées.