Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mbola filohan’ny Fizato i Toto Alphonse

Mbola filohan’ny Fizato i Toto Alphonse

Hatreto aloha. Mbola filoha mitantana ny Fikamban’ny zanak’i Toamasina i Toto Alphonse, araka ny nambarany tetsy Andrefan’Ambohijanahary ny faran’ny herinandro teo. Mbola nohamafisiny izany tamin’ny lanonana tetsy amin’ny Carlton Anosy, afakomaly, sy ny teny amin’ny Club Nautique Ivato, omaly. Notanterahina teny an-toerana ny “Tsaboraha maresaka” niarahan’ny Fizato, nifampizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana. Vory lanona avokoa ny zanak’i Toamasina tamin’ireo lanonana roa sosona nifampiarahabana noho ny taona vaovao ireo. “Mpisandoka ireo tsy nahafeno ny fepetra maha mpikambana. Taiza izy ireo hatramin’izay tsy hita tamin’ny fampandrosoana ny fikambanana ?”, hoy ny filohan’ny Fizato. Nanteriny sy ireo birao am-perinasa miaraka aminy fa aorian’izao lanonana izao vao hirosoana ny fifidianana ary tsy ho kandidà intsony ny tenany. “Homena ny hafa izany toerana izany satria efa 14 taona nitantanana ny Fizato izahay”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.