Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kick-boxing – «X-Trême Combat» : fandresena efatra no azon’ny Malagasy

Kick-boxing – «X-Trême Combat»  : fandresena efatra no azon’ny Malagasy

 Tsy mbola mahatohitra ny malagasy ny reonioney, eo amin’ny taranja kick-boxing. Nanehoan’ny Malagasy ny fahaizany mantsy izy ireo, nandritra ny X-trême combat, natao ny asabotsy lasa teo.

 

Fandresena efatra no azon’ny Malagasy, teo amin’ny andiany faharoa amin’ilay “X-trême”, taranja kick-boxing, nifanandrinan’i Madagasikara sy La Réunion. Fihaonana, natao tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny asabotsy lasa teo.

Ravelosata Anita irery ny teo amin’ny vehivavy ary Rakotonirinia Odilon, i Elfazara Fazaraly sy i Heriniaina Jean Christian (Menavolo) kosa ho an’ny lehilahy.

Raha teo amin’ny vokatra, anisan’ny nisongadina indrindra tamin’izany i Odilon, teo amin’ny sokajy K1, – 63, 5 kg. Lavony tamin’ny fanipazana spaonjy, teo amin’ny fihodinana voalohany “1 è round”,  mantsy i Damien.

Teo amin’io sokajin-danja io ihany, tsy naharaka an’i Fazaraly i Emmanuel Pierrault. Nanantombo teo amin’ny tanjaka sy ny herin’ny daka sy ny totohondry nalefany mantsy ilay mpifanandrina taminy. Vokatr’izay, KO  teo amin’ny fihodinana faharoa i Pierrault.

I Giovani kosa no lavon’i Menavolo, teo amin’ny sokajy – 54 kg.

Teo amin’ny vehivavy indray, resin’i Anita  i Nassibou Bomela, ho an’ny sokajy – 52 kg. Ity farany izany, tsy afa-nanoatra tamin’ny fahaizan’i Anita, nampiaraka ny daka sy ny totohondry.

Nifarana izany ity “X-trême combat” andiany faharoa ity, izay nokarakarain’ny klioba Lion Force sy ny Federasiona malagasin’ny kick-boxing. Afa-po, tamin’ny vokatra sy ny fahatsaran’ny fikarakarana, ny tomponandraikitra. Dingana manaraka ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, hatao any Brezila, ny volana oktobra ho avy izao.

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.