Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ivoloina Maroantsetra : ben’ny Tanàna nahatrarana lakolosy halatra.

Ivoloina Maroantsetra  : ben’ny Tanàna nahatrarana lakolosy halatra.

Sarona tao an-tokantranon’ny ben’ny Tanànan’ ny kaominina ambanivohitra Ivoloina, distrikan’ i Maroantsetra, faritra Analanjirofo, ny lakolosin’ny sekoly fanabeazana fototra tao amin’ny fokontany Ivoloina ihany. Raha ny fanazavana azo tamin’ny solontenam-panjakana iray avy any an-toerana, efa very nandritra ny fotoana lava ity lakolosy ity ary ireny karazany lakolosy mbola tamin’ny andron’ny fanjanahantany ary misy marika “RF” ireny. Ambaran’ny mpanao ity raharaham-barotra iray ity fa mahatratra hatramin’ny iray miliara Ar ny kilao aminy. Nilaza hatrany ny loharanom-baovao, fa vao telo volana ihany koa izay, nisy nangalatra ihany koa ny lakolosin’ny fiangonana Ekar iray any an-toerana.Vokany nanao fikarohana noho izany ny kristianina ary nahare sy nahazo loharanom-baovao fa ao an-tranon’ny ben’ny Tanàna misy lakolosy miafina. Nampandre ny mpitandro filaminana, noho izany ny fokonolona sy ny kristianina mpiangona amin’ ilay Ekar very lakolosy ary natao ny fisavana, ny antoandron’ny alakamisy 4 mey teo, kanefa tsy ny lakolosin’ny fiangonana  Ekar ao an-toerana noheverin’ny maro ho tadiavina indray anefa no hita tao an-tokantranon’ny ben’ny Tanàna fa ilay lakoloson’ny sekoly fanabeazana fototra efa very elabe. Tezitra noho izany ny fokonolona ary nihevitra ny hanao fitsaram-bahoaka an’ Ingahy ben’ny Tanàna fa saingy voaaron’ny mpitandro filaminana ka ny fandorana moto miisa roa sy fiara iray fananan’ ity ben’ny Tanàna ity no nanalan’ny fokonolona ny hatezerany.

Sajo sy Yves S.

Les commentaires sont fermées.