Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Holafitry ny mpanao gazety : « Manaraka ny vaovao momba an’i Fernand Cello izahay »

Holafitry ny mpanao gazety  : « Manaraka ny vaovao momba an’i Fernand Cello izahay »

 Nanao fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety, ny faran’ny herinandro teo manoloana ny fisamborana ny mpanao gazetin’ny radio Jupiter, Fernand Cello, ny alin’ny zoma 5 mey teo. “Eo am-panangonana ny vaovao rehetra momba ny antony nisamborana azy izahay. Hijoro amin’ny fiarovana azy ny birao  raha toa ka fandikan-dalàna momba ny asa fanaovan-gazety ny anton’izany”, hoy ny fanambaran’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM). Niantso ny manampahefana tompon’andraikitra amin’ny fikirakirana io raharaha io mba hijery ny lafiny maha olona ny OJM satria fantatra fa tao anatin’ny tsy fahasalamana ny nisamborana azy. “Matoky ny fahendren’ny ambaratongam-pitsarana rehetra izahay amin’ny fandinihana ny raharaha momba azy.  Manara-maso akaiky ny fivoaran’ity raharaha ity izahay mpikambana manerana ny Nosy”, hoy ihany ny OJM. Nanentana ny mpanao gazety koa ny holafitra mba hitandro toy ny anakandriamaso ny “etika sy ny deontolojia” amin’ny fanatanterahana ny asa.

Tsiahivina fa  nisy nisambotra ny zoma hariva teo teny an-tranony eny Anosizato ity mpanao gazety any Ilakaka ity.

 

Atolotra ny fampanoavana, anio

 Araka ny vaovao voaray, efa vita ny asabotsy teo ny fakana am-bavany nataon’ny mpitandro filaminana ity mpanao gazety ity. Fantatra fa atolotra ny fampanoavana, anio any Ihosy, izy, raha tsy misy ny fiovana. Raha ny filazan’ny mpampanoa lalàna avy any an-toerana, miisa fito ny vesatra anenjehana azy ka anisan’izany ny fanaovana hosoka, ny fangalarana sekim-bola antapitrisany, ny fanendrikendrehana mitarika ho amin’ny fankahalana olona. “Tsy fandikan-dalàna noho ny asa fanaovan-gazety no nisamborana azy fa efa ady heloka bevava mihitsy”, hoy ny fanazavana azo.

Randria

Les commentaires sont fermées.