Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fisolokiana : voasambotry ny polisy i Ariaz

Fisolokiana  : voasambotry ny polisy i Ariaz

Lehilahy iray antsoina hoe Ariaz, 35 taona, voasambotry ny polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahadimy teny Ampasika, ny alakamisy lasa teo tokony tamin’ny 10 ora maraina noho ny resaka fisolokiana. Voalazan’ny polisy fa ity lehilahy ity ilay misandoka ho teratany vahiny mpividy «mercure”, “huille essentielle vanille” ary vato. Misy olona misandoka ho manana na mitady “mercure”, “huille essentielle vanille” ary vato ka milaza fa misy teratany vahiny mahasahy mividy lafo izany. Asainy miantso ilay teratany vahiny amin’ny finday ireo hosolokina, avy eo misy olona ataon’izy ireo hoe “expertise” mijery ireo “entana”. Akan’izy ireo volabe ireo olona tafaroboka aorian’izay. Efa ela ny nikarohana an’i Ariaz ka izao izy tratra izao. Marihina fa maro ny fitarainana mahakasika azy ao amin’ny polisy ary efa matetika voasambotry ny polisy izy mahakasika io raharaha maloto io ihany. Tamin’ny fanadihadiana ihany koa, fantatra fa raharaha telo no anenjehana azy izay nahazoany vola mitentina 83 tapitrisa Ar. Natolotra ny fampanoavana, ny asabotsy teo, izy.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.