Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv
Logo Free News

FISOLOKIANA MERKIORA : Lehilahy iray voasambotry ny polisy

Ilay lehilahy mpisoloky misandoka ho teratany vahiny.

Lehilahy iray 35 taona, misandoka ho teratany vahiny mividy merkiora, “huile essentielle vanille”, ary vato no voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika fahadimy, teny Ampasika, ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Fantatra tamin’ny fanadihadiana azy, fa misy ireo olona misandoka ho manana “Mercure, huile essentielle vanille, ary vato ka milaza fa misy teratany vahiny mahasahy mividy lafo izany. Raikitra ny fameriverezana sy ny varotra am-pitsanganana tanterahin’ireo mpisoloky. Mody ampiresahany amin’ilay teratany vahiny amin’ny alalan’ny antso amin’ny finday ireo hosolokiana avy eo misy olona ataon’izy ireo hoe “expertise” mijery ilay merkiora, “huile essentielle vanille”, ary vato. Avy eo, akan’izy ireo volabe, ireo olona tafaroboka amin’ity fisolokiana avo lenta ity.

Nahazo 83 tapitrisa ariary

Raha ny voalazan’ny polisy misahana ny heloka bevava, sakelika fahadimy, efa ela no nikarohana an’ity lehilahy ity, saingy izao vao sarona tamin’ny asa ratsiny. Raharaha telo no fantatra fa nanenjehana ity mpisoloky ity, izay efa nahazoany volabe mitentina 83 tapitrisa ariary. Marihina fa tsy vao izao ity mpisoloky ity no nanatanteraka ny asa ratsiny fa efa matetika. Maro ny fitarainana mahakasika azy tao amin’ny Polisy ary efa imbetsaka izy no voasambotra, saingy izao mamerin-keloka izao hatrany. Natolotra ny fampanoavana ny sabotsy teo moa ity mpisoloky ity. Tokony ho mailo harany ny tsirairay, manoloana ireo fisolokiana miseholany eny anivon’ny fiarahamonina eny. Matetika vokatry ny tsy fananana asa sy ny tsy te hisasatra no mahatonga ny asa fisolokiana mirongatra etsy sy eroa. Ankoatra izay, tsy ampy ny fandraisana andraikitry ny mpitandro filaminana eny anivon’ny fiarahamonina, raha tsy hiresaka afa-tsy ny filokana an-dalambe, hita etsy Andravoahangy miakatra an’Andravoahangy ambony iny. Ireny no mitarika tsy fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina eny.

Pierre M.

Les commentaires sont fermées.