Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faran’ny herinandro an-tsary

Faran’ny herinandro an-tsary

Na elaela tsy hita sy tsy heno aza, mbola be mpankafy hatrany i Jarifa eto Antananarivo. Porofon’izany, hipoka ny Le Glacier Analakely ny alin’ny zoma teo, nandray ity mpanakanto zanak’i Morombe ity. Nafana ny tsapiky, saingy nisongadina ihany koa ny hira milamindamina, izay niarahany namelona tamin’i Rojo. Mbola hafa ihany koa ny fahenoana indray ny “Fiainana dangodango” sy ny “Tealongo”.

Nambabo ! Nisongadina nandritra ny “Festival Libertalia”, ary avy hatrany dia nahazo mpankafy maro eto Madagasikara i Hans Nayna. Feno ny efitranon’ny IFM Analakely ny alinny zoma teo, nandray ny sehon’ity mpanakanto avy atsy Maorisy ity. Tombony lehibe ho azy ny nanarahan’ireo mpitendry malagasy tanora an’i Hans Nayna teny an-tsehatra.

Princio sy ny vazo miteny sy mivantambantana. Misy ireo tena mpankafy manaraka tsy tapaka ny fiakarana an-tsehatra hataon’ity mpanakanto ity, to any tsapa tamin’ny alin’ny zoma teo, tetsy amin’ny Karibotel Analakely. Ny tombony,mihaino tsara ny tononkira, manaraka ary mandihy mihitsy aza amin’ireo hira mihetsika ireo mpankafy.

Nitondra ireo mpankafy mozika nankany amin’ny tontolon’ny kabôsy Spirit ry Doda sy Mbity, notronin’ireo mpitendry toa an-dry Dads, Fefy, Tax, ny asabotsy tolakandro teo, tetsy amin’ny CGM Analakely. Nasehon’izy ireo tanatin’ny hira maromaro ny horija betsileo manolona ny fivoaran’ny mozika maneran-tany. Nanatontosa: Zo ny Aina / Fano

Les commentaires sont fermées.