Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv
Logo Free News

FAMOKARANA HERINARATRA : Andrasana ny fanatsarana ny fitantanan’ny Jirama

FAMOKARANA HERINARATRA : Andrasana ny fanatsarana ny fitantanan’ny Jirama

Ony Radera, sekretera jeneralin’ny CCOC.

Nanatanteraka loabary an-dasy tetsy amin’ny Tranompokonolona Analakely, afakomaly ny teo anivon’ny firaisamonim-pirenena « Collectif des citoyens et des organisations Citoyennes » na ny CCOC. Lohahevitra nodinihina ny hoe : « Orinasa Jirama : inona ny paikady raisina hatramin’ny 2020 ? ». Nambaran’i Ony Radera sekretera jeneralin’ny CCOC fa «  andrasana ny fanatsarana ny fitantanana ny Jirama. Misedra olana, amin’izao fotoana izao, ity orinasam-panjakana ity na eo amin’ny famokarana herinaratra na eo amin’ny fivarotana izany ». Nohazavainy fa mihoatra ny 25% ny olana ara-teknika eo amin’ny Jirama raha tokony ho 15% fotsiny. Manampy trotraka ny fangalarana ny taribin’ny Jirama sy ny halatra jiro. Misy amin’izy ireo ny orinasa lehibe ary tsy vitsy koa ny mpanjifa madinika. Andrasana, araka izany, ny fampiharan-dalàna amin’ireo mpangalatra izay anisan’ny miteraka fatiantoka. Ankoatra izay, ny eo anivon’ny fitantanana ny raharaham-panjakana koa anisany tsy mandoa vola, kanefa miteraka fatiantoka amin’ity orinasam-panjakana ity izany.

Hahafehy ny fitantanana?

Nohitsin’ny sekretera jeneralin’ny CCOC ny filazana fa tsy mipetraka tsara ny fomba fitantanana eo anivon’ny Jirama. Iray amin’ireny ny fitantanana ny lafiny ara-barotra. Tsy mazava koa ny vola tokony haloan’ireo mpamatsy. Notsindriany fa nisy ny fanakanan’ny mpamatsy vola ny amin’ny tsy ampiasana ireo antontan-kevitra momba izay. Anisan’ny andrasana amin’ny Tale jeneraly vaovao sy ny filankevitry ny fitantanana eo anivon’ny Jirama ny fanatsarana ny lafiny fomba fitantanana. “Ho hita eo na hahafehy na tsy hahafehy ireo lafin-javatra maromaro ireo ny mpitantana vaovao, indrindra amin’ny fanakanana ny tsy hiitaran’ny halatra sy ny fomba fitantanana tsy mitombina. Tsy tokony hitomoetra intsony ny fanampiana mihoa-pampana ataon’ny fanjakana ny Jirama”, hoy izy. Raha ny fantatra, tafiakatra hatramin’ny 400 miliara ariary ny fanampiana omen’ny fanjakana ny Jirama. Na misy aza ny mety ho fanavaozam-pitantanana amin’ity orinasam-panjakana ity, azo antoka fa hisy ny fanavaozana ny saran’ny faktiora, izay ny vahoaka madinika hatrany no iangonan’ny rihitra.

Rado Harivelo

Les commentaires sont fermées.