Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv
Logo Free News

DISTRIKAN’ATSIMONDRANO : Nampikaikaika ny olona ny faharatsian’ny lalana

Marobe ireo Kaominina teo anivon’ny distrikan’Atsimondrano no nisedra olana tao anatin’ny taona vitsivitsy izay. Noho ny faharatsian’ny lalana, matetika misedra fahasahiranana ny mponina amin’ny famoahana ny vokatra toy ny legioma, ny vary sy ny maro hafa. Vokany, misy amin’ireo tantsaha no mivarotra ny vokatra ambany noho ireo mpanangom-bokatra tsy tonga eny an-toerana noho ny faharatsian’ny lalana. Tafiditra ao anatin’izany ny Kaominina Ampanefy, Ankazotoho Anosimahavelona, Alatsinain’Ambazaha. Nisy, araka izany, ny fijerena ireo heverina fa manala ny fahasahiranan’ny tantsaha. Fotodrafitrasa maromaro no notokanana teny amin’ny distrikan’Atsimondrano, omaly, izay niarahana teo anivon’ny Faritra Analamanga. Tafiditra tao ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’Alatsinain’Ambazaha sy Malaza. Teo koa ny fanavaozana ny lalana mampitohy an’Anosizato andrefana sy Ankazotoho Anosimahavelona, ankoatra an’Andrazara sy Antsahamasina. Nisy ihany koa ny fanavaozana ny lisea teknika teny amin’ny Kaominina Soavina. Anisan’ny mampikaika ny kaominina eny Ampanefy iny ny fandehanan’ny rano, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra. Nasiam-panavaozana, araka izany, lakandrano teny an-toerana, mba tsy hisian’ny tondra-drano rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra. Anisan’ny tonga marobe teny an-toerana ireo ben’ny Tanàna eny anivon’ny distrikan’Atsimondrano, notronin’ny lehiben’ny Faritra, Rakotonanahary Ndranto. Nohamafisin’ny mponina eny an-toerana ny tokony hisian’ny fanohanana ny Kaominina amin’ny alalan’ny famatsiam-bola isan-karazany, mba hisian’ny tena fampandrosoana marina eny ifotony. Maro amin’ireo kaominina eny amin’ny disitrikan’Atsimondrano iny no mbola saro-dalana ka ilana fifanoloran-tanana.

Ny Fanoratana

Les commentaires sont fermées.