Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

PMU Bet : hahazo euros antapitrisany izay mpandresy

PMU Bet  : hahazo euros antapitrisany izay mpandresy

Ankoatra an’i Frantsa, Alemaina, Angletera, Soisa sy ireo firenena maro any Amerika, izay efa misy ny Pmu Bet, anisan’ireo firenena 26 misitraka izany koa i Madagasikara, firenena afrikanina voalohany isian’ity lalao vaovao ity. Fampilalaovana ireo valalabemandry «masse commune», mihoatra ny 18 taona, amin’ny alalan’ny hazakaza-tsoavaly ka hisian’ny loka antapitrisany euros, isan’andro, homena ireo olona mahita ny filaharan’ny soavaly marina.

Nanomboka omaly izany fampilalaovana izany ho an’ny eto Madagasikara. Nambaran’ireo tomponandraikitry ny Pmu Bet avy any Frantsa, notarihin’ny filohany, Yves Vatelot, izay tonga manokana eto Madagasikara, fa anisan’ireo firenena  manana herijika handrombahana, ireo lelavola be homena ny mpandresy ny mpilalao eto Madagasikara, izay mahay manao kajikajy sy vinavina, indrindra amin’ny hazakazaka «trot attelé». Marihina fa mitombo isaky ny alahady ny lelavola lalaovina ary misy ny “grand prix” ny faha-14-n’ny alahady.

Misy karazan-dalao maro amin’ny Pmu Bet, toy ny «Tiercé», ny «Quarté + », ny «Quinté +», saingy misy «bonus» kosa ho an’ireto roa farany. Eo koa ny «Simple» sy ny «Couplé» ary ny «Trio» sy ny «Pick 5», fomba filalao tsotra nefa ahazoana vola haingana. Ankoatra izay, ny “Multi 4, 5, 6, 7” ary ny “2 sur 4”. Teny filamatry ny lalao ny hoe : “Be ny safidy, be ny vola”.

Raha fintinina, hazakaza-tsoavaly any ampitan-dranomasina ary lalaovina amin’ny vola Euros ny Pmu Bet, saingy aloa amin’ny Ariary, eto Madagasikara ho an’ireo mpandresy malagasy. Fanombohana ny eto Antananarivo fa hanenika an’i Madagasikara ny lalao, afaka fotoana vitsy.

Torcelin

 

5 réponses à "PMU Bet : hahazo euros antapitrisany izay mpandresy"

  1. gilbert  04/05/2017 à 14:26

    tena mahafinaritra sy tsara be. raha ny marina dia tsy maintsy mahazo na soavalina 1 na 2 no hita araka zay vola miasa. le 4sur5 no mba mamerim-bola rehefa tsy mahazo Q+. Tairo fa milay e!

  2. Harivony  05/05/2017 à 16:07

    salama , afaka milalao en ligne ve izahay aty amin’ny faritra ?

  3. kotokely  05/05/2017 à 17:19

    maty ndray pmu madagasikara amty

  4. adrian  14/05/2017 à 12:29

    Mba notadiaviko tamin’ny internet ilay pmubet fa tsy nahita aho….

  5. Piso  16/05/2017 à 14:50

    ahoana ny filalao an’io? maka programme toy ny mahazatra ve? eny @pmu mahazatra ve sa hafa mits ny pmu bet?

Les commentaires sont fermées.