Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina-Midangana ny vidim-bary : tsy tanteraka ny toky nomen’ny mpitondra

Toamasina-Midangana ny vidim-bary  : tsy tanteraka ny toky nomen’ny mpitondra

 Tsy fantatra intsony ny fandraisana andraikitry ny fitondrana mikasika ny andavandrom-piainan’ny vahoaka eto Toamasina. Nanome toky izy ireo hampidina ny vidim-bary, saingy  zary kabary ampahibemaso ihany izany, fa tsy misy tanteraka, na iray aza.

Nihaona tamin’ny mpandraharaha amin’ny vary sy ny olom-panjakana maro any Toamasina ny praiminisitra ny 11 marsa teo, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Enawo. Nampanantena izy fa ho marin-toerana ny vidim-bary ka tsy hiakatra araka ny fihevitry “ny maro” azy. Nandalo teto Toamasina koa ny tale jeneralin’ny Varotra, Rakotomanga Solo Aritina, ny 24 marsa, niara-nidinika tamin’ny Vondron’ny mpanafatra sy mpamongady vary eto Toamasina (GIPT). Ny mifanohitra amin’ny nantenaina anefa no mitranga eto Toamasina satria, misy sahy mivarotra 2.500 Ar ny kilaon’ny vary hafarana avy any ivelany (stock). Saika tsy mametraka takelaka milaza ny vidim-bary koa ny ankamaroan’ny mpaninjara, izay raràn’ny lalàna tanteraka, saingy tsy raharahan’ny mpivarotra sady tsy misy mandray andraikitra rahateo ny fitondrana.

Nandritra ny lanonana fizarana kara-tany faobe teny Barikadimy, ny zoma 21 avrily teo, nilaza ny minisitry ny Fanajariana ny tany, Rafidimanana Narison, fa tsy maintsy hampidinina io vidim-bary io, ary ho avy teto Toamasina, ny asabotsy 22 avrily, ny minisitry ny Varotra. Nisy koa fitetezany ny boriborintany miisa dimy eto Toamasina, nizarana vary eran’ny satroka avy ireo mpikambana HVM.

Nifindra tany Sainte Marie

Niantso tamin’ny telefaonina ny talem-paritry ny Varotra eto Toamasina, Rtoa Lambo Nadia, ny mpanao gazety, ny asabotsy 22 avrily, hanamarinana io dinikasa hampidinana ny vidim-bary io. Namaly Rtoa talem-paritry ny Varotra fa ho avy eto Toamasina tokoa ny minisitra, saingy tsy nohamarininy ny hisian’ny fivoriana na tsia. Nambarany fa anton-dia manokana ny  ahatongavany eto an-toerana, hanatrika ny fiarahabana nahatrarana ny taona ho an’ny zanak’Atsimo Atsinanana eto Toamasina, ao amin’ny lisea Stella Marris.

Azo adika fa voafafy lainga ny vahoakan’i Toamasina, tamin’ny kabary ampahibemaso nataon’ny minisitry ny Fanajariana ny tany. Nandray fiaramanidina ho any Sainte-Marie avy hatrany moa ingahy minisitra ny asabotsy, ka tavela teto ny vahoakan’i Toamasina miaraka amin’ity halafosan’ny vary ity.

Sajo

Les commentaires sont fermées.